Nisoloky Cash point : lehilahy nahatrarana vola sandoka 1 tapitrisa Ar

Saika hanao izay ho afany handefa vola sandoka teny aminy! Voasambotry ny zandary miasa ao Sambava renivohitra ny lehilahy iray nikasa hisoloky mpanao Cash point, afakomaly hariva tamin’ny 5 ora sy 20 minitra. Nanatona io toerana fandefasam-bola io ilay lehilahy. Nilaza handefa vola misimisy izy. Tsy nisy alaharo, nanao ny fombafomba rehetra handefasana ny vola rahateo ilay mpitana Cash point. Nangataka ny vola teny amin’io lehilahy io anefa izy ary niara-nanisa izany. Tsikariny fa vola sandoka ny ankamaroan’ireo vola roa alina Ar nomena azy. Poa toy izay, niantso ny lehiben’ny zandary miasa ao an-toerana io mpitana Cash point io. Niatrana avy hatrany ny mpitandro filaminana dimy lahy hanamarina ny zava-nisy. Nosavaina ny vola rehetra teny amin’ilay lehilahy nikasa hisoloky. Nitotaly 1 905 500 Ar ny lelavola teny aminy.
Roa alina 54 isa sandoka

Nojeren’ny zandary tsirairay ireo vola teny amin’io mpisoloky io. Voamarina fa sandoka avokoa ny ankamaroan’ny vola nokasain’ilay lehilahy ity homena ny Cash point. Miisa 54 ny vola 20 000 Ar sandoka tratra teny aminy. Nitetina 1 040 000 Ar, araka izany, io vola tsy tena izy io. Nentina namonjy ny tobin’ny zandary ao Sambava Renivo­hitra avy hatrany io mpisoloky io. Atao famotorana lalina izy momba ny loharano nipoiran’ireo vola sandoka ireo sy ny atidoha nikotrika amin’ny fanapariahana izany. Nogia­zana koa ireo vola rehetra nokasainy hisandohana ireo. Mitohy ny fanadihadiana manoloana ity tranga ity.

Tsiferana R.

Partager sur: