Rongony «Skunk» 10 kg : maorisiana telo mpanao trafika, voasambotra

Rongony mahery vaika atao hoe «Skunk» efa notsinjaraina anaty fonosana maromaro, tra-tehaky ny zandarimaria tao Toamasina, ny 15 mey teo. Olona efatra voasambotra ka teratany vahiny ny telo

Skunk milanja 10 kilao efa voatsinjara anaty fonosana, saron’ny zandarimaria misahana ny fikarohana heloka bevava, tao Toamasina, ny 15 mey lasa teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hitondra io zava-mahadomelina io. Nanao fitsirihina ny lehilahy iray voasakana teny an-dalana izay nahafantatra ny mombamomba io rongony mahery vaika io. Niverin-dalana, nosavain’ny zandary ny tranon’io lehilahy io. Nahatrarana ireo rongony voalaza ireo tokoa tao aminy. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka olona miisa efatra voasambotra. Maorisiana ny telo tamin’izy ireo. “Noka­saina hahondrana ivelan’i Madagasikara ireo zava-mahadomelina ireo”, raha ny fanazavan’ny tale misahana ny fanadihadiana momba ny fandikan-dalàna eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Mbina Nonos Mamelison niaraka tamin’ny lehiben’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Kly Ravelomanana Tahina. Ka­rohina ny naman’ireo efa voasambotra.

10 gony nodorana
Ankoatra io, rongony ni­lanja 330 kg natao tao anatin’ny gony miisa folo nogiazan’ny mpitandro filaminana tao Masonafoly, Magnamby Ma­romiadana, Toliara II, ny 14 mey teo. Olona roa lahy nitatitra ireo zava-mahadomelina ireo. Nanao tongotra an-katoka anefa ireto farany rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Vokatr’io, notanana ireo olona vitsivitsy tsy lavitra ny ala nanafenana ireo rongony ireo izay nanaovana fanadihadiana. Nodo­rona ny sa­botsy 18 mey lasa teo ireo rongony ireo. No­marihin’ny mpitandro filaminana nahatratra ny Skunk tao Toamasina fa singa fototra mamotika ny tanora amin’izao fotoana ny fidorohana zava-mahadomelina ka antony mahatonga azy ireo manamafy ny ady manoloana ny fiparihan’izany.

Tsiferana R.

.

Partager sur: