Roa lahy saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Sembana nampiasaina ho fitadiavam-bola

Soa fa haingana ny fahatongavan’ny polisy fa raha tsy izany saika tratran’ny fitsaram-bahoaka ireo roa lahy nitondra gony nifatotra misy olona mihetsiketsika tao Verrerie Toamasina, omaly. Noheverin’ny olona fa mpangala-jaza hay olona sembana hitadiavam-bola no tao anaty gony…

Raikitra indray ny savorovoro teo amin’ny mponina tao amin’ny fokontany Verrerie Toamasina, omaly. Noheverin’ny olona fa mpangala-jaza ireo roa lahy nitondra gony mifatotra kanefa misy zavatra mihetsiketsika ao anatiny. Vory lanona vetivety ny mponina tao amin’ny fokon­tany satria niparitaka ny feo hoe misy andian’olona mpangala-jaza tratra. Efa nentin-katezerana ireo olona sasany ka ni­daroka sy nanery ireo tovolahy nitondra io gony mba hanokafana sy hamantarana ny ao anatiny. Tsy nanaiky ny olona fa nentina avy hatrany namonjy ny biraon’ny fokontany ireo olona mitondra io gony mampiahiahy io. Nosokafana ny gony ka hatairana ny an’ireo olona nahita fa olona sem­bana no hita tao anatiny. Voatery niditra an-tsehatra ny polisy satria nihamaro hatrany ireo olona nitangorona te ha­hafantatra ny marina momba ity olona tao anaty gony ity.

Nalain’ny polisy ilay sembana…
Tao anatin’ny fanadiha­diana anefa no nahafantarana fa nataon-dry zalahy fitadiavam-bola io olona sembana entin’ izy ireo amin’ny gony io. Ampi­dirina ao anaty gony ka asaina mandihy. Avy eo mandeha ny fanatazana rakitra mandritra izany. Vao mainka nahatezitra ny olona ny fahenoana izany ka saika raikitra ny fitsaram-bahoaka. Voatery nobataina tao anatin’ny fiaran’ny polisy ilay sembana tao anaty gony sy ireo roa lahy niaraka taminy mba ho fiarovana ny ain’izy ireo. Nentin’ny polisy avy ha­trany ry zalahy satria vory marobe ny olona nahita ny fihetsika nataon’izy roa lahy manao fitadiavam-bola amin’ilay olona sembana. Tao anatin’ny famotorana savaranonando nataon’ny polisy no nilazan’izy roa lahy fa efa fanaon’izy ireo ny mitady vola miaraka amin’ io sembana io. Nilaza ho efa nitety faritra maro mihitsy aza izy ireo rehefa manao fitadiavam-bola toy izao. Saika fitsaram-bahoaka anefa no nahazo azy ireo nandritra izao fandalovany tao Toamasina izao.

J.C

Partager sur: