Nidaroka sy nandrahona ho faty : miaramila valo naiditra am-ponja

Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny miaramila valo lahy, afakomaly. Notorian’olona noho ny fanaovana herisetra, tetsy Ampahibe izy ireo.

Nidaroka sady nandratra olona, miaramila miisa valo nosamborina ka no­tanana vonjimaika eny am-ponja, ny 23 mey teo. Ny alin’ny 19 mey, nikotaba teo ivelan’ny tranon’ny olon-tsotra iray teny Ampahibe ireo miaramila, manodidina ny tamin’ny 8 ora alina. Niteraka tsy fifankazahoana izany. Nanamparan’ireo miaramila ireo daroka sy vono anefa ilay tompon-trano. Niaro tena, tsy nahatohitra ireo miaramila maro an’isa ity farany. Samy nikasi-tanana azy avokoa ireo valo lahy, araka ny loharanom-baovao. Naratra mafy vokatry ny vono niniana natao azy io lehilahy io. Ni­tsoaka ireo nahavanon-doza taorian’izay.

Nandrahona ho faty

Nitory ireo miaramila noho ny herisetra sy ny fanamparam-pahefahana nianjady taminy ilay lasibatry ny vono. Fan­tany avokoa ireo nahavanon-doza ka nanamora ny fahatrarana azy ireo. Olona efatra no voalaza fa tompon’antoka. Ankoatra ireo, miaramila efa-dahy namany voasaringotra. Nandray anjara mivantana tamin’ny fikasihan-tanana sy ny fandrahonana ho faty natao tamin’ilay raim-pianakaviana. Notanana natao famotorana ireo miaramila valo lahy ka nalefa eny Antanimora taorian’ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy.

Tsiferana R.

Partager sur: