Jirama : mpiasa roa naiditra am-ponja

Tra-tehaka nanao fampi­diran-jiro tsy ara-dalàna ny mpiasa miisa 6 ao amin’ny Jirama. Miasa eny amin’ny masoivoho Tanjombato ny efatra amin’izy ireo, ary mpiasa an-tselika, tsy manana fifanarahana arakasa ny roa. Naha­trarana azy ireo ny fitarainana voarain’ny orinasa. Nilaza ny mpanjifa fa nitakian’izy ireo volabe, hampidirana ny jirony, na efa voaloa tany amin’ny Ji­rama ny sarany (devis). Natao teny amin’ny Tendrom-pitsa­rana miady amin’ny kolikoly, Pac, ny fanadihadiana. Taorian’ ny niakarana teny amin’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja ireo mpiasa an-tselika roa, raha nahazo fahafahana vonjimaika ny efatra.

Mamono antoka
Manamafy ny tale jeneralin’ ny Jirama, Ron Weis, fa vaindohan-draharaha hanarenana ny orinasa ny fanadiovana ny ao anatiny, ny ady amin’ny halatra sy ny kolikoly. Ankoatra izany, efa maro ireo olon-tsotra na orinasa mangalatra ny jiro na rano tratra ary mbola mitohy hatrany ny hetsik’ity orinasa ity amin’ny fanenje­hana azy ireny. Eo koa ny mpi­asa mangalatra ny fitaovana, indrindra ny solika izay efa nisy koa ny sarona.

Njaka A.

Partager sur: