Fandrobana teny Ambondrona : Jiolahy maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny basy teny Ambondrona, omaly hariva tamin’ny 4 ora. Jiolahy nikasa handroba maty voatifitry ny polisy.

Roa lahy nitam-basy nandroba renim-pianakaviana iray avy naka vola teny amin’ny Cash-point, etsy Ambondrona, omaly. Na­rahin’ireo olon-dratsy io renim-pianakaviana io rehefa avy naka vola. Nandeha moto ilay ramatoa ka nosakanan’ireo olon-dratsy ny moto. Niantso vonjy anefa ilay lasibatra. Tsy nanaiky nanome ny vola teny aminy izy. Nama­hana fitaovam-piadiana avy hatrany ireo tsy valahara. Tetsy ankilany, nisy polisy nanao fanamiana sivily tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fandrobana. Na­monjy ilay ramatoa izy. Azon’ io polisy io ny basy teny am-pelatanan’ny jiolahy iray. Noti­fi­riny avy hatrany io mpandroba io. Vokany, voatifitra teo amin’ny faritry ny tongony sy ny tratrany ilay jiolahy ka namoy ny ainy.

Nanao tari-dositra…
Nitangorona tao anatin’ny minitra vitsy ny mponina ma­nodidina. Nanararaotra nanao tongotra an-katoka ilay jiolahy iray tsy voatifitra. Tsy nahazo ny vola teny amin’ilay renim-pianakaviana avy naka ny vola teny amin’ny Cash-point ireo olon-dratsy. Tonga naka ilay jiolahy voatifitra teny an-toerana ny fiara tsy mataho-dalana an’ny polisim-pirenena. Mitohy ny fikarohana ny naman’ilay jiolahy voatifitra.

Tsiferana R.

Partager sur: