Ankohonana malagasy : ikaky no loham-pianakaviana

Rahampitso no voalaza fa hanamarihana ny « Fetin’ny ray ». Na nisy io na tsia, ho an’ny ankohonana malagasy, Ikaky no lohan’ny fianakaviana. Ineny kosa no tompon’ny tokantrano. Amin’ny maha lohany azy, mandalo eo anatrehany avokoa ny momba ny tokantranony. Na tsy miresaka mivantana amin’ireo menaky ny ainy aza izy, fantany amin’ny alalan’ny andefiman­driny ny antsipirihan’ny fiainan-janany. Natao ho mpitarika sy ho fakan-tahaka Ikaky. Hany ka tsy nahatazanana loham-pianakaviana doro-dava, kamo sy miandrandra fahagagana avy any an-danitra, sns, teo amin’ny fiarahamonina malagasy fahiny. Tsy mba nitarain-tana-miepaka Ikaky. Aminy, sarobidy sy saro-pady ny fanabeazana ny taranany. Maro ny fomba nentiny nanatanteraka izany. Tamin’ny ankapobeny, tsy navelany hanalavitra azy ireo zanany mba hahita sy hiaina ny tokony hatao eo amin’ny fiainana iray manontolo.
… Ny ankehitriny, tsy vitsy ireo dada tsy mahavita intsony ny adidiny amin’ny ankohonany. Miha maro ireo dada fitaratra mangavoka manoloana ny zanany. Fa, anisan’ny mampiavaka ny dada ankehitriny sy Ikaky fahiny ny fahamatoram-panahy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: