Antohomadinika: mpitsindrona rôrô 10 lahy voasambotra

Tra-tehaky ny polisim-pirenena ny lehilahy folo mpanendaka sady mpitsindrona rôrô tetsy Antohomadinika, omaly.

Nanaovan’ny polisy be midina, voasambotra avo­koa ny andian-dehilahy mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ny fokontany Antohoma­dinika, omaly maraina. Na­haray loharanom-baovao ny polisy fa manjaka ny fidoro­hana rôrô eny amin’ny manodidina. Tsy vitan’izay, manao sinto-mahery sy manendaka ny mpandalo amin’ny andro atoandro hatramin’ny alina ireto mpitsindrona. Fantatra ny ivon-toerana fitsindroman’ izy ireo io karazan-drongony simika io. Vokany, tratra teo am-pikirakirana heroine ny lehilahy miisa valo. Tsy afa-nandositra ny polisy avy eo amin’ny CSP4 intsony izy ireo ka noraisim-potsiny. Nahitana vovoka rôrô niampy fitaovam-pitsindromana samihafa tao amin’io toerana io.
Mpanendaka ny roa lahy

Ankoatra ireo mpanendaka ireo, tratra hariva sy mivoaka vao maraina eny amin’io fo­kontany io ny roa lahy hafa voasambotra. Nikasa mbola handositra ny polisy hisambotra azy izy roa ireo saingy tsy afa-nanao na inona na inona intsony. Nentina natao famotorana, hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy folo lahy ireto. Marihina, manimba ny ankamaroan’ny tanora amin’ izao fotoana ny fidorohana zava-mahadomelina.

Tsiferana R.

Partager sur: