Notanana am-ponja taorian’ny fampanoavana ireo enina mianadahy mpanendaka tratra teo Anosizato, omaly. Miara-miasa, manao hevi-petsy ireo mpanendeka ireo. Vehivavy ny efatra izay anisan’ ny mpampanofa tena eny amin’ ny manodidina. Mody mijorojoro amin’ny alina izy ireo amin’ iny faritra iny ary mitazan-davitra ireo mpanendaka namany. Hampiresahan’ ireo vehivavy ireo lehilahy mpody alina. Hanaovany ny fomba ratsiny tampoka. Mila vaniny ary mampiaka-peo ireo vehivavy ireo. Mipoitra tampoka ireo mpanendaka namany. Midaroka avy hatrany izay lasibatra sady manendaka ny finday sy maka ny vola. Tsikaritra ny fokonolona io toetra ratsin’izy ireo io. Nosamborina ireo olon-dratsy. Nanampy tamin’ny fanatrarana azy ireo ny zandary. Vokany, vehivavy efatra sy lehilahy telo niara-voasaringotra. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka voatana am-ponja ny enina mianadahy. Arahi-maso kosa ny iray.
Mpameri-keloka
Tsy vaovao amin’ny mponina eny an-toerana, efa mpanendaka ikoizana ary mpameri-keloka atao hoe Monaka ny iray tamin’ireo voasambotra. Efa nisazy tany am-ponja vokatry ny asa fanendahana io lehilahy io. Marihina, mampitaraina ny mponina mifamezivezy eny amin’ny faritra Anosizato sy Anosibe, ny fisian’ny mpanendaka amin’ny atoandro indrindra ny alina.
Tsiferana R.




