Nasehon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseratserany, omaly, fa hatao ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Rades Tunisie avokoa ny lalaon’ny Barea, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2025. Ny 5 septambra lalao atao amin’i Tunisie.Ny 9 septambra kosa no hifanandrina amin’i Comores.
Hotontosaina ny alahady 11 aogositra izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Besarety, ny « Resadresaka sy tantaran’ny Kung Fu ». Ireo loholona Wisa manerana an’i Madagasikara no hifandrimbona hitondra ny resaka mandritra io fotoana io. Hisy fanentanana mahakasika ny Kung fu, dihy ary fampisehoana samihafa.
Hihemotra ny sabotsy 10 aogositra ny fanokafana ofisialy, ny fifaninanam-pirenena, taranja Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), hatao any Antsirabe. Efa nanomboka kosa ny fifanintsanana ho an’ny taranja iraisana, toy ny baolina kitra, basikety ary ny volley ball.
Hatao ny 22 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao, any Antsirabe ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lehilahy sy vehivavy. Hitohy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara (2è division) izany, ny 7 hatramin’ny 14 septambra izao, any Alaotra Mangoro.




