Tsy mandry fahalemana izay no azo handikana ny toe-javatra misy ao Toamasina, anatin’ izao vanim-potoan’ny fialantsasatra izao. Amin’ny akapobeany, saika handrenesana poa-basy sy olona voafira antsy etsy sy eroa. Ankilany, fisian’ ilay voafonja roa lahy tafantsoaka ny vavahadin’ny fonja. Raha iverenana, nirefotra ny basy tetsy Tanamakoa 12/14 tamin’ ireo jiolahy, ny sabotsy tolakandro teo. Voatifitra teo amin’ ny tongony ilay niharam-boina ka voaroba ny poketra sy ny finday niampy vola 15 000 Ariary. Natsipin’ ireo olon-dratsy teny ambony tetezana Tanamako kosa ny kara-panondrom-pirenenan’ ilay lasibatra. Ny alin’ny alatsinainy 5 Aogositra, nisy jiolahy nandeha posy nanendaka raim-pianakaviana iray tao Ankirihiry parisela 11/55. Naratra mafy ity farany, voasambotry ny fokonolona kanefa ireto farany fa saingy tafatsoaka ilay mpitondra posy. Nohazonin’ny fokonolona ilay jiolahy iray nentiny sy ny posy mandra-pahatonga ny mpitandro filaminana. Niverina tampoka ilay mpitondra posy miaraka amina andian-jatovo tsy latsaky ny 10 mirongo antsy lavalela. Ny fokonolona izay tanam-polo. Vokany navotan’ izy ireo ilay namany voatazon’ny fokonolona sy ilay posy ary nitari-dositra ireo mpandroba. Niala maina ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Ity farany izay tara fahatongavana.
Gadra nitsoaka
Tombanan’ny mpanara-baovao fa mety misy fandraisany tamin’ny fisian’ny gadra tafatsoakan’ny fonjan’ Ambalatavoahangy izany rehetra izany. Ny zoma faha 2 aogositra teo, tovolahy voafonja roa lahy nirahin’ny mpiandry fonja iray nanamboatra moto simba. Vita izany ary manao fanoharana teo amin’ny tokotanin’ny fonja ireo roa lahy. Tsikaritr’ izy roa fa tsy mihidy ny vavahady fidiran’ ireo mpandraharahan’ny fonja mpiasa birao. Nanokatra ny vavahady vy rehefa niara-nitsoaka nitondra ny moto ireo roa lahy. Ny fanadihadiana rehetra natao no nahalalana fa voaheloka noho ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ireto voafonja nitsoaka ny fonja ireto.
Sajo




