Fampandrosoana ny toekarena : voafaritra ireo paikady fifanakalozana ara-barotra

Hotohizana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, ny fanatsarana ny lalàna samihafa mifehy ny varotra avy amin’ ny minisitera isan-tsokajiny. Ireo no nivoitra nandritra ny fakan-kevitra handrafetana ny paikady nasionaly momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny hampihena ny fotoana sy ny vola lany amin’ny sehatry ny varotra ka hampitombo ny tombontsoan’ny mpandraharaha amin’ny asa ataony.
Nandray anjara tamin’ity fakan-kevitra ity ireo mpisehatra ara-barotra samihafa avy amin’ny sehatra tsy miankina, toy ny vondron’ny mpandraharaha nahazo alalana hamaky tanàna ka tsy mandoa fadintseranana eto Madagasikara «Groupement des transitaires» (GTM). Eo ihany koa ny vondron’ny orinasa eto Ma­da­ga­sikara (Gem), ny rafi-panjakana isan-tsokajiny, misy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Sam­pan­draharaha misahana ny fitantanam-bola ivelany (Finex). Miahy izao hetsika izao ny Komity nasionalin’ny fanamorana ny fifanakalozana (CNFE). Nilaza ny Tale jeneralin’ny varotra sady filoha mpiara-mitantana ny CNFE, Raza­na­koto Isidore, fa mitohy ha­trany amin’ny faritra ny hetsika. Zava-dehibe, hoy izy, ny handrafetana ny paikady hanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra ka ho raisina avokoa ny hevitr’ireo mpisehatra, entina hampandrosoana ny sehatry ny varotra eto Madagasikara.

Henintsoa H.

Partager sur: