Fanjifana : nidangana ny vidim-piainana nandritra ny enim-bolana voalohany

Niakatra 7,2% ny tahan’ny sondrobidim-piainana (inflation) eto Madagasikara, ny volana jona teo, raha oharina ny tamin’ny volana janoary. Niakatra 5,2% ny vidin’ireo entana nafarana teo anelanelan’ny volana jona 2023 sy ny volana jona 2024.

Tafakatra 7,2% ny tahan’ ny sondrobidim-piainana nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2024 ity, raha 7,4% izany ny volana marsa ary 7,3% ny volana avrily sy mey teo. Mijanona ho ambony io taha io hatramin’ny niandohan’ny tao­na, araka ny tatitra navoakan’ ny Banky foiben’i Madagasi­kara (BFM) tamin’ity volana ity, mahakasika ny fiainana ara-toekaren’ny firenena nandritra ny telovolana faharoa 2024. Niakatra 5,0% ny vidim-bary eny an-tsena, tsy nahitana fidinana izany, araka ny vinavina napetraka ho an’ny taom-piotazana amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny BFM. «Tsy nitovy tamin’ny vanim-potoana mialohan’ny valanaretina Covid-19 ny zava-misy tamin’ity taona ity. Nidina ny vidim-bary teny an-tsena tamin’izany isaky ny fotoam-pijinjana ny vokatra», hoy ny fanazavana. Ankoatra izay, nahitana fiakarana 8,0% ihany koa ny vidin’ny angovo tao anatin’ny ny enim-bolana voalohan’ny taona, raha mbola mijanona tamin’ny vidiny tamin’ny volana jolay 2022 kosa ny vidin’ny solika. Na izany aza, nilaza ny BFM fa tsy mbola niantraika tamin’ny andavanandron’ny mponina ny fiakaran’ny vola malagasy nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona. Tsindriany manokana fa niakatra 3,8% ny vidin’ireo entana nafarana hatramin’ny voalohan’ny taona, ary niakatra 5,2% izany teo anelanelan’ny volana jona 2023 sy ny jona 2024.
Sandam-bola
Nilaza ny BFM fa nahazo aina ny Ariary tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny tao­na, nanomboka nitotongona ko­sa izany ny faran’ny volana jolay teo. Ankoatra izay, nahazoana tahirim-bola vahiny (ré­serve en devise) kosa ny fiakaran’ny sandam-bola malagasy, izay misanda hatrany amin’ny 2 629,6 tapitrisa dolara ny faran’ny enim-bolana vo­a­lohan’ny taona teo. Nijanona amin’ny antonony kosa ny tsenan’ny fifanakalozam-bola irai­sam-pirenena (Marché in­ter­bancaire de devise), tamin’ ny alalan’ireo tahirim-bola azo avy amin’ireo tetikasam-pampandrosoana samihafa. Nia­ka­tra 2,4% ny Ariary nanomboka ny faran’ny volana de­sambra teo ka hatramin’ny faran’ny volana jona 2024, raha oharina ny dolara ary 4,3% raha oharina amin’ny euro.

Henintsoa Hani

Partager sur: