Sandam-bola : mananika ny 5 000Ar ny euro

Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy. Manafosafo ny 5 000Ar ny euro iray amin’izao. Omaly, nisanda 4 987,33 Ar ny euro iray, ary 4 995, 13Ar izany ny alarobia teo. Nisanda 4 575,39Ar kosa ny dolara, omaly.
Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra hafarantsika, toy ireo filana andavanandro sy ny solika sns, izay tena hamoahana vola vahiny (devise). Ambany ihany koa ny tombombarotra azontsika avy amin’ny fanondranana ka tsy mahasahana akory ny vola mivoaka ao anatin’izany. Nilaza ny mpahay toekarena iray fa mila hatsaraina ny seha-pihariana anatiny mba hisarihana ny mpampiasa vola vahiny eto amintsika. Tokony hamoraina ihany koa ny famoronana orinasa sy ny sehatra ananantsika tombony amin’ireo firenena hafa. Ankoatra izay, mila himasoana, hoy izy, ny vokatra mampiavaka an’i Madagasikara sy ny lalam-pihariana mahasarika ireo mpampiasa vola. Araka izany, ilaina ny fampiroboroboana ny famokarana, hanenana ny fanafarana ataon’ny firenena. Notsindriany manokana fa tombony ho an’i Madagasikara ny fananana tanora maro izay loharanon-karena azo hamoronana asa.

Henintsoa H.

Partager sur: