VAOVAO TAMBATRA

Hanamboatra Chips ny distrikan’i Mananjary, amin’ny alalan’ny milina hanodim-bokatra napetraka any an-toerana. Mahatratra 60 000 taonina isan-taona ny vokatra, toy ny soanambo, ny akondro, ny vomanga, izay azo hahodina ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny fiharian’ny mponina.
Hanohana ara-bola ireo mpandraharaha
misehatra eo amin’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ny minisitera voakasik’izany. Takina kosa ny tamberin’andraikitra eo amin’ny fiarahamonina, izany hoe, ny fiantraikany eo amin’ny fiainana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ateraky ny tetikasan’izy ireny.
Nizara traikefa sy fahaiza-manao ary nandray lesona tamin’ireo firenena rahavavy aty amin’ny faritra avaratry ny Lakandranon’i Mozambika (NMC), tao Dar es Salaam, i Madagasikara. Nandritra ny atrikasa momba ny famaritana ny vina sy ny tondrozotra irai­san’ireo firenena amin’ny Rafi-pandrindrana ho Fanajariana ny Fari-dranomasina (PSM) no nanaovana izany.
Havoitra mandritra ny Foara rezionaly Fihavanana ao Ambatondrazaka ny tahirin-kevitra teknika amin’ny fiompiana trondro sy ny fanehoana ny fari-dranon’ny faritra sy ny azo trandrahana. Voaboasana mandritra izany koa ireo dingana arahina amin’ny fitrandrahana maharitra ny hazandrano.

Partager sur: