Mois : août 2024

Zaza voaolana: naiditra am-ponja ny anadahin-dreniny

Notanana vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy nanolana ny zanak’anabaviny tao Ambohitrandriana, kaominina Vinany, distrikan’i Mandoto, afakomaly. Nanamparan’io tsy valahara io ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny vao 13 taona monja. Nandritra ny lanonam-pamadihana tao amin’ny tanànan’izy ireo, norebireben’io lehilahy io ilay zazavavy ka nararaotiny naolana. Nitaraina vokatry ny tranga nianjady […]

Raharaham-pitsarana: olom-boafidy very vola 9 tapitrisa Ar

Hiakatra fitsarana ny 22 aogositra izao ny raharaha momba ny fahaverezana vola 9 tapitrisa Ar mahery an’ny olom-boafidy iray tao amin’ny trano fandrasaim-bahiny iray ao Foulpointe. Niaraka tamin’ny vady aman-janany, nametraka ny entany rehetra tao amin’io toerana io ilay solombavambahoaka. Na­na­ra­raotra nivoaka izy mianakavy ary nanidy ny efitrano voatokana ho […]

Foulpointe: mpitondra fivavahana naiditra am-ponja

Miseholany ny fampidirana am-ponja mpitarika fiangonana ao amin’ny faritra Atsinanana. Voasaringotra ho nanao taratasy hosoka ny presibitera iray. Mpitarika fivavahana iray ao amin’ny fiangonana fanta-daza ao Mahavelona Foulpointe, naiditra am-ponja vonjimaika ny fiandohan’ny volana aogositra teo. Taorian’ny famotorana azy, teo anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, araka ny fitoriana nataon’ny lehiben’ny […]

Tetikasa Tsimbina: vola 165 miliara Ar hozaraina amin’ny tokantrano miisa 821 250

Vola 2 hetsy isan-tokantrano no hozaraina ao anatin’ny tetikasa Tsimbina. Mitentina 165 miliara Ar ny vola hozaraina manerana ny Nosy. Ireo tokantrano tena marefo an-tanàn-dehibe no hisitraka izany ho fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fidiran’ny mpianatra. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no nampahafantatra ny fiaingan’ny tetikasa Tsimbina tetsy amin’ […]