Mois : août 2024

D2 Nasionaly : nisaraka ady sahala ny Jet Kintana sy ny FC A Ilakaka

Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Jet Kin­tana Itasy sy ny FCA Ilakaka, tany Ambositra. Lalao tena nandrasan’ny rehetra izy ity, klioba […]

FLM Andranomadio : Pasitora sy Katekista maty notafihin’ny dahalo

Maty teo am-panavotana ny katekista niharan’ny fanafihan-dahalo tao Mampikony, omaly, ny pastora François Vivier. Nokapain’ny dahalo ny antsibe koa ny vadin’ilay katekista… Nisy dahalo nanafika tao an-tranon’ny katekista Tsaratombo eo anivon’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM) Andranomadio, fitandremana Tsangambato, fileovana Mampikony, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Mi­fanakaiky amin’ny trano fonenan’ny pastora […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 2 093,1 miliara Ar ny vola niditra tao amin’ny Fadintserana tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona. Manodidina ny 4 687 miliara Ar kosa ny vina napetraka tao anatin’ny lalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Tokony ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana solika kosa ny ampahefatr’izany. Hanohy […]

Lohamenaka : tsy manome afa-tsy ny 1,3% ny filana isika

Malaza amin’ny fananana karazan-javamananaina miavaka i Madagasikara. Ani­san’ireo firenena mamokatra karazana lohamenaka maherin’ny 30 tsara kalitao indrindra maneran-tany ihany koa. Tao anatin’ny telo taona, 1,3% monja amin’ny filana maneran-tany sisa no vokatra avy eto an-toerana, raha ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Mitotongana ny vo­katra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ani­san’ny […]

Teknika Riz Plus : voafaritra ny paikady hanaovana ny asa

Nankatoavina nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tetikasa Riz Plus ny paikady hanatanterahina ireo asa atao any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Sofia, ho an’ny taom-piasana 2024-2025. Hojerena ny fampiroboroboana ny fanajariana sy ny fitantanana ny sahandriaka iarahana amin’ny vondron’olona ifotony. Ao anatin’izany ny famolavolana ireo drafi-panajariana sy […]