Mankalaza ny faha-50 taonany amin’ity taona 2024 ity, ny klioban’ny Akka, taranja karate-do. Hisy ny fifaninanana hoenti-manamarika izany dia ny “Coupe 50ème”, ny 14 sy 15 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Kata sy Kumite ho an’olon-tokana no hikatrohana. Hisy koa ny fifaninanana isam-bondrona, handraisan’ny “style” 4 anjara, araka ny […]
Mois : août 2024
Taekwondo : mpikatroka 33 mianadahy handalo fifantenana farany
Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao ny fampivondronanana farany amin’ny fifantenana ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja taekwondo, sokajy zandriny Junior, lahy sy vavy. Miisa 33 mianadahy izy ireo, izay lehilahy ny 15 ary 18 ny vehivavy, no voatazona hiatrika izany, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo […]
DAKA AN-JORONY: Natao sanga ka nanakona
Miharihary hatrany ny fisian’ny ady mangatsiaka eo amin’ireo mpisehatra amin’ny taranja baolina kitra. Niteraka resabe indray mantsy ny fanambaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar fa tsy izay olona mamono baolina any amin’ny diviziona fahefatra dia ho antsoina ao anaty ekipam-pirenena avokoa. Tsy niandry ela fa niloa-bava naneho ny alahelony sy […]
Tsipy kanetibe – «Masters 2024»: Manana isa 9 ny ekipa malagasy
Vita ny dingana faharoan’ny fiadiana ny “Masters 2024”, izay atao any France. Tsy ao anatin’ireo ekipa telo voalohany ny Malagasy. Hatao ny 28 aogositra ho avy izao ny dingana manaraka. Taorian’ny fahavitan’ny dingana faharoa natao tany Nevers, ny 22 aogositra lasa teo, mitana ny laharana fahefatra ny ekipa malagasy eo […]
Sombim-baovao
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety, ny BC Blindé sy ny MMBC. Nandresy ny BCR tamin’ny isa 49 no ho 47 ny BC Blindé, raha toa ka isa 38 no ho 31 no nandavoan’ny MMBC ny ASVD Fitefa. Nanomboka omaly, any Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy […]




