Mitady vehivavy virijiny : tratra ny frantsay mpanararaotra ara-nofo

Sahy mivarotra ny fahadiovana mihitsy! Natolotra ny fampanoavana ny zoma lasa teo, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy, ny teratany frantsay iray sy ny sakaizany ka samy naiditra am-ponja eny Antanimora. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanararaotana ara-nofo izay manana endrika fanondranana olona izy ireo. Ny talata 3 septambra 2024 izy ireo no voasambotry ny polisy teny Ambohibao. Tao anatin’ny fanadihadiana na­taon’ny polisy no nahafanta­rana fa ireo vehivavy mbola virijiny no tena tadiavin’ity lehi­lahy teratany frantsay ity mba hanaovany firaisana ara-nofo. Nolazainy fa io vehivavy sa­kaizany io ihany no mpiray tsikombakomba aminy sady mi­karoka sy mandray ireo tovovavy virijiny ireo ary mitondra azy eny amin’ny hopitaly mba hanaovana fitiliana ara-pahasalamana. Ireo tovovavy ma­refo no tena lasibatra. Ampa­nantenain’izy ireo fa hoentina any ivelan’i Madagasikara ireo tovovavy ka roboka tokoa manao ny filan-dratsin’ity vazaha ity. Voalazany fa efa hatramin’ny taona 2018 izy no nivezivezy teto Madagasikara. Hita tao anaty findainy koa ny horonantsary mamoafady hiarahany amin’ireo tovovavy mandritra io fanararaotana ara-nofo io. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: