Mametraka fanamby amin’ny tenany ihany ry zalahy… Hikatsaka ny lafatra kokoa noho izay efa vitany ny tarika AmbondronA, mandritra ilay fampisehoana goavana izay hotontosainy rahampitso, etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Ho fanatrarana izany, tsy misy afa-tsy ny fiomanana mialoha, hametrapetrahana ny rehetra manomboka any amin’ny madinika indrindra, hatrany amin’ny goavana indrindra.
Nanomboka ny talata lasa teo no nampidirina tsikelikely ireo fitaovana hampiasaina amin’ny seho. Matihanina maro amin’ny resaka fampisehoana no miara-misalahy amin’ny tarika amin’ny fanatontosana izany. Tazana eny an-toerana ny Mi’Ritsoka, Ivenco, Nyr Image, sns. Ny alakamisy teo dia efa nirafitra ny endriky ny sehatra: tsy mbola hita tao amin’ny Coliseum izany. Omaly zoma kosa no efa tontosa ny lafiny feo sy teknika rehetra, ka miandry ny fotoan-dehibe ho an’ny rahampitso sisa. Izy dimy mirahalahy mihitsy no mirotsaka an-tsehatra mandamina ny pitsopitsony rehetra. Samy feno fitaintainana satria nampiakarina ambony kokoa ny tanjona hotratrarina.
Izany rehetra izany, maneho ny fahavononan’ny tarika AmbondronA, hizara izay kantony indrindra amin’ity seho goavana rahampitso ity. Efa vonona toa izany koa ireo mpankafy, izay nirohotra nanjify vantany vao nivoaka ny tapakila. Kely sisa no tavela amin’ireo karazana tapakila tsotra. Ny famandrihana rehetra, efa jifa avokoa nialohan’ny fotoana. Miandry ny fotoana sisa…
Zo ny Aina