Tsy nisy nahavita ny nataon-dry zalahy, hatreto ! Mitoetra ny lazany, mamaly fitia ireo mpankafy, mampiakatra ny lentan’ny fampisehoana hataony hatrany ry AmbondronA.
Mipetraka ho tantara indray iny! Raha any amin’ny fanatanjahantena dia iny no zava-bita tsara indrindra mila montsanina, ho an’ireo hanao manaraka. Asa, mety ry AmbondronA ihany no hanamontsana izany? Ireo izay nanatrika ny seho tao amin’ny Coliseum Antsonjombe aloha dia afaka manamarina izany avokoa. Avo dia avo ny fanamby napetraka, kanefa tontosan’ny tarika nihoatra noho ny niheverana azy izany.
Tamin’ny 8 ora maraina dia efa nananosarotra ny fifamezivezena nanodidina an’Analamahitsy. Niara-nirona ireo mpinamana manao andiany, saika niakanjo fotsy sy mainty tamin’ny ankapobeny: mpankafy AmbondronA tsy miala mihitsy, indrindra rehefa fotoan-dehibe toy ny omaly izy ireny.
Tamin’ny 12 ora, efa nanomboka fefika ny Coliseum. Nitohana ny fifamoivoizana tao ivelany, satria mbola maro ny tsy tafiditra. Fotoana fohy taorian’izay, naneno ny fanamafisam-peo nampiditra ny vahiny, hanokatra ny seho…
Da Hopp! Eny, tarika mpanao Rap Gasy voalohany indrindra teto amin’ny tanàna no nosafidian’ny “Ilay Tanàna” hampiditra ny fampisehoana. Porofo io fa tsy misy fetra ny mozika, ary afaka miara-lavorary, satria tena noraisan’ireo mpankafy izany.
Mazava loatra fa sehatra efa nafana no novantanin-dRakix sy ny namany ka niakatra ambony be ny ambiansin’ny mpankafy. Notetezina ny 22 taona, tanaty hira. Misy zokiny, misy zandriny rahateo ny mpankafy satria mpampihavana koa ny AmbondronA. Tsy vitan’izay fa nahay nisafidy ireo mpiara-miasa mitovy tanjona: Ivenco sy mi’Ritsoka nanambatra ny fanamafisam-peo sy hazavana, Nyr Image teo amin’ny écran géant.
Toa vetivety ny ora maro niarahana. Mbola anatin’ny fanoratana ny tantarany ry AmbondronA, ary azo antoka ny am-polo taona manaraka. Marina fa tsy maridrefy ny famenoana ny Coliseum, saingy mametraka ny haavon’ny tarika iray manokana ny mpankafy azy kosa izany. Rahoviana indray?
Zo ny Aina