TARATRY ny KANTO

Hisy koa ny « jazz Mobile » mandritra ny « Mada­jazzcar 2024 ». Ny zoma 4 oktobra izao ny fotoana, ka eny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha ny seho voalohany, amin’ny 9 ora maraina. Ao amin’ny AFT Andavamamba kosa ny seho faharoa, amin’ny 4 ora hariva. Ny Jazz Club an’ny AFT miampy an’i Sitraka sy Latifaha no hanafana izany. Ireto farany no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ ilay fifaninana-kira « En chanson » nokarakarain’ny AFT.
« Hankalaza tokana jobily roa » ! Lohateny nofidin’i Rado Ramaherison, mpanoratra, hoenti-manamarika sy mankalaza ny faha- 25 taona nitondrana ny solonanarana Rado Ramaherison, 25 taona naha mpiraifaribolana ary 30 taona nanoratana. Ny 22 marsa 2025 no fantatra fa hanatanterahina izany eto Antananarivo. Hanana endrika mivelatra amina kanto hafa ity fankalazana ity, satria, ankoatra ny soratra, hisy ny kanto hafa ho hita ao anatiny. Anisan’ireny ny valiha.
« … io no tarik’Andriatinarivo », « Gala de chants » hotanterahina ny 27 oktobra, amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Alliance Française. Hetsika anisan’ny lehibe hoentin’ny Tropy Jeannette ho an’ny mpitia ny teatra mala­gasy, amin’ity taona 2024 ity. Tropy Jeannette izay anisan’ ny zokiny indrindra amin’ny filalaovana teatra.
Mitohy hatrany ny fahombiazana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ho an’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nandrombaka ny amboara avy amin’ny mpi­tsara, nandritra ny « Afrika Film Festival de Köln », ny horonantsarimihetsika « Disco Afrika », notontosain’i Luck Razanajaona.

Partager sur: