Faran’ny herinandro: hisy “Taombaovao” indray

“Lohataona: Taombaovaon’i Madagasikara”. Io indray ny “Taombaovao” manaraka eo, ankalazaina ny 4, 5 ary 6 oktobra ho avy izao. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, nataon’ny Communauté royale de Madagascar (CRM), omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fantatra tamin’izany fa hotontosaina ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova ny lanonam-panokafana, ny 4 oktobra izao, ivoizana ny lohahevitra “Iray ihany isika”. Ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy kosa, ny 5 oktobra, ny fampirantiana ireo haren-tsaina isam-paritra, nomena ny lohahevitra “Fanomezan-kasina ny kolontsaina malagasy”. Hifarana ny alahady 6 oktobra izany, eny Anatirova. Atrikasa ataon’ireo olobe, arahina nofon-kena mitam-pihavanana no hatao mandritra izany.
“Zava-dehibe ny fampiraisana ny Malagasy, ary fampiraisana hita maso ity. Taombaovaon’i Madagasikara, tsy manavaka izay rehetra monina eto. Firaisankina anaty fahasamihafana izany. Ho avy eto ireo olobe manerana ny faritra…”, hoy ny nambaran’ny Printsesy Ralandison Fenosoa, izay anisan’ny mpikarakara. Tazana teo ankilany ny tangalamena Zakariasy Patrick, izay efa nivoy ity “Taombaovao lohataona” ity nandritra ny taona maro.

Zo ny Aina

Partager sur: