Tarika maherin’ny 30 no hiaka-tsehatra ao Toamasina mandritra ny telo andro. Andrasan’ny maro ny “Makua Festival Music”, izay manana tanjona ny hamerenana ny faritra Atsinanana ho rakotra ala ihany koa.
“Rahoviana no ho lany ny ala atsinanana?” Fomba fiteny efa ela no nilazoan’ny toetrandro io. Efa ripaka ary ho ringana tsy ho ela, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra iombonana. Anisan’ireo hirona amin’izay fanetsehana ny mpiara-belona amin’ny famerenana ny faritra Atsinanana ho maintso izay ny ekipan’ny Makua Entertainment, tarihin’ireo mpanakanto Shyn sy Denise.
Amin’ny alalan’ilay hetsika ara-javakanto goavana, “Makua Festival Music”, hotontosaina manoloana ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina ny hetsika, ny 31 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao. Nokendrena amin’ilay fotoana maha be olona any Toamasina mihitsy, satria mandritra iny fetin’ny olomasina iny no famangiana tanindrazana ihany koa ho an’ireo mpila ravinahitra zanaky ny faritra Atsinanana.
“Hisy ampahany amin’ny vola azo hividianana zana-kazo izay hozaraina amin’ireo fokontany ao Toamasina Renivohitra hanombohana ny fanentanana. Ezahina hahazo zana-kazo roa isaky ny tokantrano mba hamboleny ao an-tokontany izy ireo. Hitarintsika izany aoriana”, hoy ny nambaran’i Shyn, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, nanazavana ny hetsika, tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo, omaly.
Fa araka ny efa nahafantarana ny Makua Entertainment hatramin’izay, tsy mba manao zavatra kelikely izany izy ireo. Na andiany voalohany aza, manana tanjona ambony dia ambony, dia ny hahatoraka ireny “festivals” toa ny any ivelany ireny izy ireo. Niantso ireo mpanakanto namany izay hverina fa mahafeno ny fepetra hanatrarana ny tanjona ry Shyn. Anisan’i reny ry Lion Hill, LJO, Boy Black, D-Lain, Rim-ka, Joyce Mena, Ceasar, Mad Max, Reko, Saboodak, Shadow Bankz, Jack’Dad, Wada & Youngs, Claudio Rabe, Jean Kely & Basth, Oza Jérôme, Dadda, Six Man, Joudas, Oladad, Basta Lion, Black Nadia, Kaysha ary i General Degre. Tsy hoe hifandimby an-tsehatra toy ny mahazatra fotsiny ireo, fa hisy rindra ara-teknika mba hampiavaka ny seho tsirairay.
Zo ny Aina