« Nofy maitso » andiany fahatelo: efa fantatra ny mpandray anjara

Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 18 novambra 2024, ao amin’ny Alliance Française de Tamatave, ny «Nofy maitso-Festival de Slam poèsie et écologie», andiany fahatelo. Mpiangaly «Slam poèsie» ma­ro avy amin’ireo tanàn-dehibe miisa sivy eto Madagasikara, anisan’izany ny avy eto An­tananarivo, Mahajanga, Fia­na­rantsoa, Toliara, Antsira­nana, Antsirabe, Ambositra, Mananjary, Toamasina no handray anjara. Saika efa fantatra avokoa ireo solontena isaky ny tanàna. Mandritra ity fifaninanana ity no hitondran’izy ireo ny feon’ny zavaboahary sy ny kiakan’izy ireo manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ankoatra ny fampiroboroboana ny zavakanto, tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanentanana ny olona hikajy ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny zavakanto.
Fifaninanana anisan’ny lehibe, eo amin’ny tontolon’ny  Slam  malagasy ny « Nofy maitso- Festival de Slam poèsie et écologie ». Efa fantatra ny ankamaroan’ny mpandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ry Navalona sy Virgilus, ho an’Antanana­rivo. Luciane Andrianalijaona sy Jonaky Bejoy, ho an’i Toliara, Bebeto sy Lanto, ho an’i Mahajanga. Efa eo an-dalam-panatontosana ny fi­fan­tenana ny ho solontenany kosa ireo faritra hafa amin’izao. Marihina fa ankoatra ny fifaninanana, misy ny fanentanana sy fampianarana ny olona hikajy ny tontolo iainana.

Lin

Partager sur: