“Ny tantaran’ny jazz”. Velakevitra hoentin’i Gina Ramarosaona sy Faniry Ramampy, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, izy ity. Ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina ao Vatofotsy Antsirabe no hanaovana izany. Fanokafana sahady ny hetsika “Madajazzcar” izy ity, izay anisan’ny tanàn-dehibe faharoa handray. Manana mpanakanto maro mpiangaly azy ity rahateo i Vakinankaratra.
Nampahafantarin’ny mpikarakara ny “Slam national”, omaly, fa hotanterahina ny 28 novambra 2024 hatramin’ny 7 desambra 2024, any Antsirabe sy eto Antananarivo, ny “Slam national” andiany faha-15. Efa maro ireo fikambanana any anivon’ny faritra manao ny fifaninanana hifantenana ireo ho solontenany. Anisan’izany ny ao Mahajanga, Fianarantsoa, izay hatao ny faran’ny herinandro izao.
Anisan’ny mandranty ny sanganasany, ao anatin’ny « Memoria: récits d’une autre histoire », tontosaina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, i Selly Raby Kane. Izy izay mpahay kanto avy any Sénégal. Ny horonantsary novokariny, “The Other Dakar”, no harantiny ao anatin’izany.
Tanterahina anio, ao anatin’ny hetsika “Antson’ny tontolo miaina”, eny amin’ny Zital Ankorondrano, ny atrikasa “Ravorona”. Mandritra izany no ahitana ny atrikasa mahakasika ny fanaovana sary, ny fanoritana ary ny fampianarana mahakasika ny firafitry ny singa mandrafitra ny sary iray. Fanja R sy Iandry Randriamandroso no hitondra ny fahaiza-manaony ao anatin’izany.