Nampahafantarina ny mpanao gazety, omaly, nandritra ny valandresaka ireo mpanakanto mpandresin’ny tetikasa “Arts & Biodivérsité”. Hisy kosa ny fampiratiana ireo vokatra, ho an’ny daholobe, manomboka anio hatramin’ny 25 oktobra 2024, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo.
Tanterahina anio, eny amin’ ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny lanonana fanolorana ny amboara ho an’ny mpandresin’ny tetikasa “Arts &Biodivérsité”, andiany fahatelo. Miisa telo ireo tetikasan-javakanto tolorana ny amboara, anio. Anisan’izany ny “Petits Géants” an’i Heritiana Razafindraleva sy ny “Tontolo miaina”, an’Andriamiranto Rafanomezana ary ny “Madagascar Sauvage” an’i Andry Ravololonjatovo. Anisan’ ny nifantenana ireto haikanto ireto tao anatin’ireo nifaninana ny fanentanany sy ny fampahatongavan-tsaina ataon’ny mpanakanto ho an’ny olom-pirenena tsirairay. Raha tsiahivina, tanjon’ny tetikasa “Arts & Biodivérsité” ny hampahafantatra ny lanjan’ny zavamananaina sy ny faritra arovana amin’ny fiaimpiainan’ny olombelona, indrindra ny tanora, ary amin’ny alalan’ny zavakanto no hanaovana izany.
Anisan’ny fantsona mahomby ahafahana mitaiza sy manabe ary mampahafantatra ny zavakanto ity tetikasa ity. Manatontosa izany vinan’ny tetikasa izany indrindra ireto zavakanto voahosotra ho mpandresin’ny “Arts &Biodivérsité”, andiany fahatelo ireto. Ny “Petits Géants” an’i Heritiana Razafindraleva, izay mampahafantatra ny antom-pisian’ireo biby kely eo amin’ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny saripika. Eo ihany koa ny “Tontolo iainana”, an’ Andriamiranto Rafanomezana, izay maneho an-tsary hosodoko ny hevitry ny zava-maniry manoloana ny tontolo an-drenivohitra. Tsy ambakan’ izany ihany koa anefa ny “Madagascar Sauvage” an’i Andry Ravololonjatovo, horonantsary izay manasongadina ny maha izy ireo biby eo amin’ny fiainana ankapoben’ny olombelona. Tsy amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany fa eo amin’ny fomban-drazana sy ny fady tany.
Lin