Nivaly omaly, ilay fifaninanana “Tremplin Heritage”. Nahazo ny “Prix espoir” i Ismael. “Coup de Coeur du Jury” i Bab’s ary « Coup de cœur du public » kosa i Yvaniat. Araka ny efa nampanantenaina, izy ireo izany no mpanakanto malagasy, hanafana ny tapany voalohany amin’ny fampisehoana hataon’i Dadju sy Tayc ny 11 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Fifaninana natao hanomezana tosika ireo mpanakanto vao misondrotra izy ity. Nisokatra ho an’ireo efa namoaka hira na rakitsary kosa anefa. Mba tsy ireo mpanakanto efa malaza toy ny mahazatra no manao ny tapany voalohan’ny seho goavana toy izao, fa ireo izay heverina koa fa manana ny ho avy mamiratra eo amin’ny mozika.
Mpamorona sy mpihira nanomboka ny taona 2019 i Ismael. Mampivady ny gadona afropop, rap ary Rn’b izy, izany hoe, manaraka ny fitsoky ny rivotry ny mozika maneran-tany mihitsy. Manan-talenta avokoa ireo mpifaninana taminy, ary tsikaritra fa tena sahirana ireo mpitsara. Na izany aza, hita taratra dieny voalohany kosa fa anisan’ireo mamiratra i Ismael, ka tonga amin’ny fandresena.
Mpanao rap sy beatmaker i Bab’s. Izy rahateo no filohan’ ny ligin’ny “battle Rap Fantsy Line. Ny talentany manokana amin’ny beatmaker rahateo no nambaboany ny fon’ireo mpitsara. Tovovavy tokana tamin’ ireo tafakatra tamin’ny dingana famaranana kosa i Yvaniat. Mpamoron-kira ihany koa izy, ary manana feo miavaka izay naharesy lahatra ny mpankafy azy sahady.
Ny azo antoka dia dingana lehibe ho an’ny lalan’izy telo mianadahy ny fandraisany anjara amin’io sehon’i Dadju sy i Tayc eto Madagasikara io. Amin’izay firenana nolalovan’ izy mirahalahy ka nitondra ny “Heritage”, nanaovana fifaninana toy ity, ho tosi-tanana ho an’ireo tanora mpanakanto. Miandry fatratra izay tena hasehon’izy telo mianadahy kosa!
Zo ny Aina