Mitohy ny dinika eo amin’ny mpanakanto sy ny tomponandraikitry ny “Moozik”. Andro maromaro lasa izay, nisy ny fihaonan’ny sendikan’ny mpanakanto sy ireo avy amin’ny orinasa Manoova, tomponandraikitr’ilay “application Moozik”. Nitohy etsy amin’ny QG des Artistes etsy Mahamasina ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta. Mazava loatra fa ny mahakasika ny vola tokony miditra amin’ny mpanakanto no tena fototry ny adihevitra.
Laharana fahatelo no nisy an’i Cédric, nisolontena an’i Madagasikara, nandritra ny fifaninanana « Défi Inter- Alliances 2024 », teo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Alexia, avy any Bucarest no nahazo ny laharana voalohany. Tsiahivina fa efa nandrombaka ny laharana voalohany, tamin’ity fifaninanana ity i Madagasikara, ny taona 2021.
Misy ny atrikasa fanaovana « Avatar », eny amin’ny Fondation H Ambatomena, mandritra ity volana Oktobra ity. Miainga avy amin’ny aingam-panahin’i Mary Sibande, mpahay kanto avy ao Afrika Atsimo, amin’ilay sary sokitra nataony “Ascension of Purple” no hanatontosana izany atrikasa izany.
Mitohy ny fiaraha-miasan’ny fikambanana mpanao hatsikana, Be Tige, sy ny Tranomboky monisipalin’Antananarivo, amin’ny alalan’ny hetsika “Lecture en rire communautaire tour 2024”. Ao anatin’izany no hitetezana ireo Tranomboky monisipaly eto Antananarivo Renivohitra, hanentanana ireo ankizy hamaky boky, amin’ny alalan’ny hatsikana.