Efa nanomana ny fiverenany an-tsehatra ny tarika Solomiral. Efa voafaritra mialoha koa ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny « Madajazzcar » andiany faha-35 amin’ity, saingy nodimandry nialoha ny fotoana nifanomezana i Fanaiky, mpikambana fototra sady mpitendry gitara beson’ny tarika. Notanana ny fotoana, ny alatsinainy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny Efitrano Havoria, ORTM Anosy. Hatao ho seho fanomezam-boninahitra an’i Fanaiky kosa izany, raha ny nambaran’ny komity mpikarakara sy ny rahalahiny ao amin’ny tarika Solomiral. Mbola handray anjara amin’ny famarana any Antsirabe ny 12 oktobra ihany koa izy ireo.
Tsiahivina fa hanomboka anio ny « Festival Madajazzcar » andiany faha-35. Etsy amin’ny Havoria Anosy ny lanonam-panokafana eto Antananarivo, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hanafana ny fotoana ry Datita Rabeson Group, Elsie ary Sammy Andriamanoro. Ao amin’ny Alliance Française kosa ny any Antsirabe, manomboka amin’ny 7 ora koa. Hifandimby an-tsehatra any an-toerana kosa ry Eric Rakotary, Jaquis Ralph, ary Moria Randrianantenaina.
Zo ny Aina