Fiatrehana ny WPSC: Misy ny hetsika fanohanana an’i Konahy Jr

Hotontosaina ny sabotsy 5 oktobra 2024, ao amin’ny Centre culturel et sportif Art’Manja Antsiranana, ny «Slam Fy Manja». Fampi­sehoana «Slam poèsie», larona mozika sy antsan-tononkalo. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo tanora mpiangaly ny literatiora am-bava ao an-toerana, tanjona ny hanohanana an’Andrianahy Zana­daory Joel Bastino na Konahy Junior, izay hiatrika ny «World Poetry Slam Championship» (WPSC), fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin’ny «Slam poèsie».
Tanterahina any Togo, ny volana novambra izao, ny WPSC. Anisan’ireo niatrika ny fifaninanana teto Afrika, ahafahana miatrika ity fiadiana ny ho tompon-daka maneran-tany ity i Konahy Junior. Folo ny toerana niadivana ahafahana miatrika ny WPSC.
Efa vonona tanteraka ary mbola ao anatin’ny fanamasahana hatrany i Konahy Jr, amin’izao. Hetsika faharoa fanohanana azy ho an’ny fiatrehana ny WPSC izy ity. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany ireo mpanakanto ao an-toerana, indrindra ireo mpiangaly “Slam poèsie”.

Lin

Partager sur: