Seha-kanto mitoetra. Raha misy ny sokajin-javakanto efa nisy ela sy azo antoka fa mbola haharitra an-taonany maro, dia ny tantara fihaino amin’ny onjampeo. Tsy mba lefin’ny fotoana mandalo, na dia manaraka ny toetrandro eny ihany aza. Ho fanatsarana ny tolotra ho an’ny mpankafy, hisy ny atrikasa fanoratana tantara fihaino, izay hotarihin-dRalala Robson, mpilalao sy mpamorona tantara an’onjampeo. Hotontosaina ny alahady 27 oktobra ho avy izao izany, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany, ao amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely. Natao ho an’ireo rehetra te hanoratra tantara an’onjampeo izy ity, fa indrindra ireo efa niroso kanefa tsy mbola ampy traikefa tsara. Ny Vondron’ny mpiangaly tantara fihaino, ny VMT Madagasikara, no mikarakara ny atrikasa. Inoana fa hampiakatra ny lentan’ny tantara fihaino ny atrikasa toy izao.
Zo ny Aina