Tanterahina anio, eny amin’ny Pho Resto Ivato, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Tsiakoraka. Fampisehoana hihaonana amin’ireo mpankafy ny tarika hatramin’izay sy hankafizana indray ny hira nampalaza sy nahafantarana ny tarika. Hiarahan’ny rehetra mankafy mandritra ity fampisehoana ity ireo hira nahafantarana azy.
Hifampizara sehatra ao amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina, i Rija Ramanantoanina sy Elsie. Mandritra ny fampisehoana no hisian’ny seho isan-karazany. Anisan’izany ny fihiran’ny mpanakanto roa tonta ny hirany avy. Hisy ihany koa ny fampiaraham-peo eo amin’ireto mpanakanto manana ny maha izy azy ireto.
Hiaka-tsehatra eny amin’ny Manson By Marco, Isoraka, anio, ny tarika Zanatary. Hahazo tombony manokana ireo mpankafy ny gadona Reggae sy Roots izay gadona iangalian’ity tarika ity. Anisan’ny tanora manan-talenta ireto mpikambana ao anatin’ny Zanatary ireto ary efa vonona tanteraka hanome fahafaham-po ireo mpankafy Reggae sy Roots.
Ho ambohipihaonan’ny mpankafy an’i Njara Marcel sy Tovo Jhay, indray ny eny amin’ny La City Ivandry, anio. Samy hiangaly sy hivazo ny mozikany ny roa tonta mandritra ny fampisehoana. Nanome toky izy ireo fa tsy ho ambakan’ireo nanao fampisehoana tao amin’ity toerana ity teo aloha izy ireo.