Teatra malagasy: Tropy Jeannette, 95 taona niakarana an-tsehatra

Tropy Jeannette no zokiny indrindra amin’ireo mpanao teatra malagasy. Feno 95 taona izao no nisiany, ary mbola manohy hatrany mampita sy mampitia ny teatra izy ireo.

“…Io no tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tononkira anatin’ilay hira “Tropy Jeannette” io. Hira fanevan’ny tropy sy nampahafantarana azy hatramin’izay ihany koa. Io koa no anarana ampisalorana ny seho an-tsehatra izay hotontosain’ny tropy, ny 27 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba. Ho fanamarihana ny faha-95 taonan’ny tropy Jeannette ity rindran-kira ity, izay niniana tsy natao piesy teatraly mihitsy. “Hira fotsiny no nosafidiana mba hamoahana sy hahafantaran’ny olona ny hira ao anaty piesy teatraly”, hoy ny fanazavana nomen’i Tsiory Ravaloson, anisan’ireo tomponandraikitry ny tropy
amin’izao fotoana.
Misy amin’ireo hira mandravaka ny piesy teatraly nolalaovin’ny tropy tao anatin’izay 95 taona izay no tsy fandre matetika raha tsy anaty teatra. Ao koa anefa ireo hain’ny rehetra satria niampita tamin’ny tanora, izay nosokajiana ho “kalon’ny fahiny” taty aoriana. Efa noraketin’ny tropy Jeannette tanatin’ny rakikira manokana, “Hiram-betso” izy ireny, tamin’ny fanamarihana ny faha-80 taona, 15 taona lasa izay. Mazava loatra fa hiran-dRatianarivo voalohany ny ankamaroan’ireo.
“Tanjona ny fiarahan’ireo mpisehatra sy ankehitriny, ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ny tropy sy ny hira teatraly. Eo koa ny fampahafantarana azy ireny ny tanora aty aoriana. Havoaka araka ny aingam-panahin’ny mpanoratra sy ny mpamoron-kira izy ireny, izany hoe, ny tena tononkira sy ny feony ary ny fomba fihirana azy marina”, hoy hatrany ny fanazavan’i Tsiory Ravaloson.
Raha tsiahivina fohy ny tantara, niangavy an’Andrianary Ratianarivo ny fikambanana Sport Hova, hamorona ny hira sasany mandravaka ilay piesy “Ranomody”, nosoratan’i Rodlish, izay nolalaovin’ny Troupe Renaissance. Nanatona an-dRatianarivo ireo mpikambana sasany tao anatin’io tropy io rehefa vita ny seho, mba hiangavy azy hitarika ny Troupe Jeannette. I Jeannette, Raketamanga, Ralaiariliva ary Rajao­narivony ireo, izay mpikambana voalohany ny taona 1929.
Piesy kilasika malagasy ny ankamaroan’ireo tantara nolalaovin’ny Tropy Jeannette, izany hoe, tantara ravahana hira teatraly, ka Andrianary Ratianarivo no namorona ny ankamaroan’ny hira fa misy ihany koa ny sanganasan-dRasamy Gitara sy Ranaivo Ranarivelo. Andiany fahatelo B ireo Troupe Jeannette amin’izao fotoana.

Zo ny Aina

Partager sur: