« Festival Madajazzcar » : tanterahina amina toerna maro eto Madagasikara

Zary lasa fanao isan-taona ary ambohi-pihaonan’ny mpankafy ny gadona Jazz ny « Festival Madajazzcar ». Efa miditra amin’ny andiany faha-35 izy amin’ity taona ity, ary ny fampivelarana ny “Jazz” no tanjon’ny mpikarakara.

Nanomboka omaly ireo hetsika maro samihafa ho fankalazana ny « Fes­tival Madajazzcar » andiany faha-35. Anisan’ny nahitana izany ny teny amin’ny LMA Am­pefiloha sy ny Alliance Fran­çaise (AFT) Andavamamba, ary ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Amin’ny ankapobeny, fampahafantarana ny gadona Jazz no tena tanjona amin’ity anio ity. Nampiavaka ny omaly kosa ny seho nataon’i Milap Duo, teny amin’ny IFM Analakely. Izy izay anisan’ireo vahiny nasaina ao anatin’izao hetsika izao. Ankoatra ny fanomezana sehatra ny mpiangaly Jazz, sy ny fahafaham-po ho an’ny mpankafy izany gadona izany. Tanjona ihany koa ny hampahafantra ny Jazz sy hampiroborobo azy.
Hitohy anio hatramin’ny 13 oktobra 2024, amina toerana maro samihafa, ny « Festival Madajazzcar ». Ankoatra ny eto Antananarivo, ahitana seho ihany koa any Antsirabe, Ampefy, Toamasina ary Nosy Be. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, anisan’ny seho goavana sy andrasan’ny maro ny eny amin’ny Zone Zital An­korondrano, ao anatin’ny he­tsika “Antso ho an’ny tontolo miaina”. Hifampizara sehatra, hanafana izany fampisehoana izany, ry Samy Andriamanoro Quartet, Anjara Rakotozafia­rison, Vatsiahy Ravaloson ary Sandratra. Ankoatra izay, misy ihany koa ny seho hiarahana amin’i Betia, eny amin’ny Fara­­West Faravohitra. Manampy ireo ny iarahana amin’i Weaver Trio, eny amin’ny Trano Bongo Tanjombato.
Anisan’ny gadona mbola vitsy mpahalala ary heverin’ny rehetra ho tsy natao ho azy ny Jazz, raha ny eto Madagasi­kara. Ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-javakanto anefa no mahatonga izany ka ireo tena ao anatiny ihany no mahafantatra ny mahakanto azy. Izany indrindra no ezahin’ny mpikarakara ovaina ka hanatontosaina izao hetsika izao.

Lin

Partager sur: