“Sitabaomba”: horonantsary manaitra ny fiarahamonina

“Sitabaomba”. Lasa ana­ran’ny faritra iray eny Ivato eny izy ity. Nataon’ilay mpanatontosa sarimihetsika malagasy, Lova Nantenaina, lohatenin’ ilay horonantsary navoakany, izay natao hanaitra ny fiarahamonina. Nalefa voalohany ny zoma teo, tany Paris, ity horonantsarimihetsika ity, nandritra ny hetsika nokarakarain’ny mpi­laravinahitra any an-toerana. Rahampitso kosa ny anjaran’i La Réunion ary ny 23 ok­tobra izao ny aty Madagasi­kara.
Manaitra fiarahamonina satria nahoana? Miresaka lohahevitra “saro-pady” sy “manahirana” ny horonan­tsary. Maneho ny olan’ny ady tany, anisan’ireo olana fototra mianjady amin’ny Malagasy eto amin’ny taniny. 7 taona no nanomanan’i Lova Nante­naina azy, izay niarahany nanoratra tamin’i Eva Lova-Bély. Horo­nantsary lava ny vokatra, satria maharitra 103 minitra. Ampy tsara nanehoana ny tantaran’i Ly, tantsaha iray nonina tsy lavitr’Antananarivo ary mbola nanana tanimbary tamin’izany. Nitontongana kosa ny fiainana nanomboka ny taona 2016, rehefa nanomboka nisy niki­tikitika ny tany fivelomany. Niady nandritra ny taona maro mba hiaro ny taniny izay sady fivelomany ireo tantsaha,
saingy atody niady amam-bato ihany…
Lohahevitra saro-pady, saingy hain’i Lova Nantenaina sy i Eva Lova-Bély ny namoitra azy handona ny fo kokoa. Nanampy betsaka anatin’ izany ny takalon-kanto marolafy naseho anatin’ny vokatra: kabary, haikanto ara-endrika amam-bika, sarimiaina, mozika, sns. Tsikaritra ao aza i Bekoto Mahaleo sy i Gégé Rasa­moely, mpanatalenta zokiny, izay fantatra tamin’ny ady ho an’ny tsindrihazolena hatrany…

Zo ny Aina

Partager sur: