Nitodika teny amin’ny Coliseum ny sain’ireo rehetra liana sy nanaraka ny fandaharana “Kopi Kole”. Efa alimbe vao nivaly ny fifaninanana, ka 6 tapitrisa Ar ny loka voalohany, ny 5 tapitrisa ho an’izay nahazo ny laharana voalohany, ary ny 1 tapitrisa kosa hanomezam-boninahitra ny mpanakanto nalaina tahaka. Lasan’ny Kopi Kole Agrad ny laharana voalohany, ka anjaran’i Agrad, araka izany, ny 1 tapitrisa Ar. Lasan’i Jonathan avy any Moramanga kosa ny laharana voalohany tamin’ny sokajy “Talenta”. Azy ny 5 tapitrisa Ar, ka hanaovana zavatra na asa soa ho an’ny tanàna niaviany izay i Moramanga kosa ny 1 tapitrisa Ar, ho valimbabena. I Carmen, mpanakanto avy any Matsiatra Ambony kosa no nahazo ny sokajy “découverte”, ka mitovy tamin’ny teo aloha ihany ny loka.
Tsy izy ireo ihany no nahazo loka, fa nisy koa ilay antsoina hoe “Coup de Coeur du jury”: nirona tany amin’ny Kopi Kole Lucky Dube sy Kopi kole Bob Marley izy ireo. Ankoatra izay, nisy tamin’ireo mpifaninana “découverte” no nisy olona tsy nitonona anarana nanome valopy fankasitrahana azy ireo.
30 mianadahy ny isan’izy rehetra tao anatin’ireo sokajy telo nifaninana ireo, no niatrika ny dingana famaranana tetsy amin’ny Coliseum. Samy efa nanana ny mpankafy azy, izay tonga marobe nameno ny toerana nanomboka ny maraina. Nanampy izany ny fampisehoana izay nifandimbiasan’ireo mpanakanto efa kazala toa an-dry Stéphanie, Arnaah, Skaiz, Melky, Rappa, Parish, Majesty, sns.
Zo ny Aina