Fihaonana nanjakan’ny embona sy tsiahy. Feno fihetseham-po maro ihany koa ny seho izay notontosain’ny tarika Levelo, Tselonina ary Ifanihy, ny sabotsy hariva teo, tetsy amin’ny Phô Resto-Aire du By Pass. Efa tena ela no tsy nisy ny fiarahana an-tsehatra ho an’ireto tarika samy tompon’ny hira ireto. Efa ela ihany koa no tsy tafaraka toa izany ireo mpankafy, ka toa fohy dia fohy ny ora efatra niarahana.
Satria nifandimbiasana ny toerana, avy dia ireo hira be mpankafy toy ny “Rafitiavana”, “Sofera” sns, no nalefan’ Ingahibe Tselonina sy ireo namany. Nandimby azy tamin’ny vazo miteny Ifanihy, izay tena nandrasan’ny maro koa. Samy ela tsy heno ka izay naroson’i Darôla dia niaraha-niredona avokoa. Tsy latsa-danja mihitsy koa ny fiakarana an-tsehatry ny tarika Levelo, nitondra ireo “kalokalon’Imamo” tsy mety lefy laza. Nitsangana nandihy ny rehetra vao nandeha ry “Rasoanantenaina”, “Raha ny olon-tiana”,”Veloma”, sns.
Fanombohan’ny fiverenana an-tsehatra iny, raha ny siosio heno tao ambadiky ny sehatra. Mety hisy fiarahana manaraka amina sehatra lehibe kokoa?
Zo ny Aina