Taom-baovao lohataona : nampiombona sy nanehoana ny kolontsaina isam-paritra

Nifarana omaly ny telo andro nankalazana ny lohataona taom-baovao malagasy. Tanjona napetraka ny hampiombona sy haneho ny kolontsaina rehetra isam-paritra.

Tontosa tetsy amin’ny tranomboky nasionaly Ano­sy, ny sabotsy teo, ny hetsika fanomezan-kasina ny kolontsaina isam-paritra. He­tsika iray nanehoana ny kolon­tsaina mahakasika ny lohatoana taom-baovao malagasy. Anisan’ny nanamarika sy na­m­piavaka izany, ny fampiombonana ny mponina rehetra manerana an’i Madagasikara. Nanasongadinana ihany koa ireo harena sy kolontsaina ananan’ny faritra 23. Tafiditra tao anatin’izany, ny fomba fiaina, ny lahabolana, ny fomba nentim-paharazana, ny fomba amam-panao isan-karazany na an-kafaliana na an-karatsiana sy ny maro hafa. Na­seho tamin’ny alalan’ny dihy sy hira nentim-paharazana, fampirantiana ary fampisehoana tahirin-kevitra an-tsary izany rehetra izany.

Fizarana boky ho an’ny talem-paritra sy olobe

Ankoatra izay, nisy ny fankasitrahana ireo talem-paritra sy olobe tonga nanatrika ny hetsika teto Antananarivo tamin’io fotoana io. Notolorana boky momba ny niandohan’ny tantaran’ny Malagasy izy ireo nandritra izany. Izay angom-pikarohana nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera nandritra ny fotoana maro. “Nomena ny boky ho fanomezan-tanana ny talem-paritra tsirairay avy, mba tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy manoloana ny tantara misy eto amin’ny firenena ka antony nizarana ny boky”, hoy Rakotomavo Tsiky, tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Tanjona ny hametrahana lova sarobidy ho an’ireo taranaka faramandimby. Nam­barany fa efa mihavery ny fomba amam-panao sy ny soatoavina maha Malagasy, hanarina sy hamerina izany ny antom-pisian’ny hetsika takaha izao.
Nofaranana tamin’ny fihaonan’ireo olobe teny anaty rovan’Antananarivo ny hetsika. Tsy nampiombona ny olon-drehetra, araka ny tanjona, ny hetsika, raha ny zava-misy. Tsy nisy ihany koa ny tsoa-kevitra nivoaka tamin’ny fihaonan’ireo olobe teny anaty rovan’Antananarivo, omaly. Andrasana ho amin’ity anio ity izany, raha ny vaovao voaray.

Mino

Partager sur: