Nodimandry, ny faran’ny herinandro teo, i Riri Barijaona. Izay no anarana nosalorany amin’ny maha mpanao hatsikana azy. Ny fakana tahaka ny feon’olona maro, indrindra ireo mpanentana amin’ny onjam-peo tamin’izany fotoana no tena talentany. Mpanentana fandaharana tamin’ny onjam-peo rahateo koa i Baritiana indray no nahafantarana azy tamin’ny fandaharana “Ny talentanay ankizy” tao amin’ny RNM sy tao amin’ny Radio Tsioka Vao ihany koa.
Anio ilay sehon-dry Solomiral. Manome fotoana ireo mpankafy azy, etsy amin’ny Havoria Anosy, manomboka amin’ny 7 ora hariva ny tarika. Hitondran’izy ireo anjoria mozika ho an’ireo efa mpanaraka hatramin’izay. Malalaka be ny fandarahana ny hira, saingy hifototra amin’ny fahatsiarovana an’i Fanaiky, izay mpitendry gitara beson’ny tarika, nodimandry vao tsy ela akory izany.
Nanomboka ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Fondation H, ny atrikasa momba ny fomba fanoratana teny malagasy sy frantsay. Hetsika natokana ho an’ny olon-dehibe, izay manana olana eo amin’ny fanoratana ireo teny roa ireo. Atrikasa atao isaky ny sabotsy manomboka amin’ny 10 hatramin’ny 12 ora atoandro. Ankoatra izay, nisy ny fitantarana ny “Rakitra tadidy vao”, tantara notontosain’ Ibemaso Rabearison.
Fampisehoana mozika jazz. Hanolotra seho ho an’ny mpankafy azy etsy Ivato Aeroport International ry Toky Ramasimanga sy Titi Razakamiadana, anio. Hanomboka amin’ny roa ora tolakandro ny fampisehoana. Maro ny seho mahakasika ity mozika ity amin’ity volana oktobra ity. Hisesy izany nanomboka ny 3 hatramin’ny 13 oktobra izao. Fotoana hampahafantarana sy hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy eto Antananarivo.