Hisy seho telo andro : hivoaka amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy

Hamaly ny fangatahan’ny mpankafy mozika. Azo jifaina ao amin’ny Moozik avokoa ny rakikiran’i Rossy rehetra, hatramin’ireo telo nivoaka farany. Ho avy koa ny andiam-pampisehoana.

“Hatomboka izao ny fiaraha-miasa eo amin’i Rossy sy ny Moozik. Rehefa mety ho rakikira navoakan’i Rossy dia azon’ireo mpankafy jifaina ao manomboka izao”. Io ny fanambarana lehibe nataon’i Rossy, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Maha­masina. Anisan’ireny ireo rakikira “Afaka aho”, “Iny Rossy e” sy ny “Bapampa”, izay efa nivoaka elaela izay saingy narovana mafy tamin’ny mpanao piraty. Vaovao lehibe faharoa: hiverina ilay andiam-pampisehoana nahafantarana ny toerana, ka avy dia mandritra ny telo andro misesy izany, ny 25, 26 ary 27 oktobra izao. “Ny zoma haka endrika cabaret efa mahazatra an’ireo mpamonjy Zoma manifika. Ny sabotsy kosa dia fampisehoana amin’ny andro alina, ho an’ireo mpankafy izany. Ny alahady tena ho an’ny mpianakavy mihitsy ka hatao ny tolakandro. Efa andian-taranaka telo mantsy izao ny mpankafy Rossy”, hoy hatrany ity mpanakanto ity.

Sehatra fanjifana mozika ana habaka, mitovy amin’ireny “Spotify” sy “Deezer” ireny ihany ny Moozik. Ny mampiavaka azy, vita malagasy ary natao ho an’ny mpanakanto malagasy izy ity. “Misitraka ny zon’ny mpamorona avy amin’ ny Omda ihany, saingy mbola mahazo koa vola noho ny asany ireo mpanakanto manatitra ny sanganasany ao amin’ ny Moozik”, hoy ny nambaran’ ny tomponandraikitr’ity orinasa hisahana ny sanganasan’ ny mpanakanto ity. Nifandresy lahatra nandritra ny fotoana ela tamin’ireo mpanakanto izy ireo, vao tonga amin’izao fifanarahana izao. Anisan’ireo voalohandohany niditra tamin’ ny sehatra i Rossy.
Mahakasika ny tohin’ny fampisehoana, nanambara i Rossy fa aorian’io telo andro io dia hihazo an’i Europe hanohy ny “Bapampa Tour” izy ireo. Natsidiny sahady ihany koa fa hisy fampisehoana goavana be amin’io taona ho avy io, eto Antananarivo.

Zo ny Aina

Partager sur: