Lohataona : nampiray ny faritra rehetra

Nampiray sy nampiombona ny vahoaka malagasy rehetra manerana ny faritra 23 teto amin’ny Nosy ny fankalazana ny lohataona: taom-baovaon’i Madagasikara teto An­tananarivo. Namoriana olona 1 274 ny lanonana ofisialin’ny fankalazana. Mbola nihoatra izay ny olona tonga tetsy amin’ ny tranombokim-pirenena, izay nanaovana hetsika fampirantiana ireo haren-tsaina isam-paritra, ny sabotsy teo. Nihoatra ny 20 ireo tahirin-kevitra an-tsary. Nahatratra 44 ny hira sy dihy nentim-paharazana. 23 ny isan’ny tarika na trope nanatontosa ny hetsika ara-kolontsaina.
Harena ny fampirantiana naseho. Ho an’ny faritra Bongolava, nasongadina ny fomba fiainan’ny olona sy ny vary mainty. Ho an’i Vaki­nankaratra, naseho ny vary sy karaoty. Ho an’ny faritra Matsiatra Ambony, nentin’izy ireo tao ny haitao mifandraika amin’ny nentim-paharazana. «Lohataona, vanim-potoana iray mampazava ny andro, fandaozana ny ririnina… Manomboka eo amin’ny lohataona avokoa ny fahatsarana rehetra», hoy  Rakotomavo Tsiky, tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina eo anivon’ ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Vanim-potoanan’ny fahazavana sy fahavelomana ary hanombohan’ny hetsika ara-kolontsaina rehetra ho an’ny firenena any amin’ ny faritra Asia Antsinanana ihany koa. Nokarakarain’ny Communauté royale de Madagascar (CRM) ny hetsika ara-kolontsaina. Niahy izany kosa ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina.

Mino

Partager sur: