Mois : octobre 2024

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny kandidà, Ravalomanana Tojo, fa ilaina ovaina ny firafitry ny fifampitondrana sosialy eto Antananarivo. Nambarany fa hapetraka izany mba tsy hiangona ny fako sy tsy hiakatra ny rano, tsy hamofona ny tatatra… “Ho velona ara-dalàna ny mponina ao aminy. Hifampitantana hiray hina hitondra fanovana tsy mbola nisy hatrizay isika ka […]

Tokely Justin : “Miantso ny hampanjakana fitoniana”

“Mandalo vanim-potoan’ny fifidianana indray ny firenena ankehitriny. Zava-dehibe ny hisian’ny safidim-bahoaka amin’izay hitondra ny tanànany. Koa manao antso avo hampanjakana ny fitoniana sy filaminana mba hampizotra izany antsakany sy andavany izahay eto amin’ny Anteni­mierampirenena.” Ankoatra ny fitanisana zava-bita, io ny anisan’ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsim­bazaza, omaly […]

Fitsinjaram-pahefana

Nahoraka sy naresaka ny teny Avaradrano, omaly. Nahazo biraon’ny tribonaly sy fonja manara-penitra ny ao an-tanàna. Henin-kaja, henim-boninahitra, ny zanaky ny distrika fa nahavita nanetsika filohan’ny Repoblika. Ambohi-pihaonan’ny mpanao politika, na tsy mitovy firehana, ny teny an-toerana. Nobaikoin’ny fitiavana ny tanàna nipoirana. Manoloana izany, hita taratra ny fanatanterahana ilay fanapariaham-pahefana […]

Fangalaran-tany : “Tsy maintsy ravana ny tambajotrana “

Olana sedrain-dRamalagasy ny ady tany, izay sokajiana ho ady madio eny amin’ny fitsarana. ”Havadika ho ady heloka izany ka tsy maintsy ravana ny tambajotran’ny mpangala-tany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Fanamby goavana! “Mila apetratsika ary mila ravantsika ireo tambojotra rehetra anatin’ny fangalarana tanin’ny vahoaka. Hora­van­tsika izany tambajotra izany.”, hoy ny […]

TSELATRA

Mpizahatany teratany vahiny mivady niharan-doza rehefa nikasa hitsidika ny Tsingy tany Belo Tsiribihina, afakomaly. Nandeha mafy ny fiara nitondra azy mivady ka tra-doza. Naratra tao amin’ny lamosiny ilay vehivavy Italiana. Tsy nisy aina nafoy. Olona iray maty nodoran’ny dahalo velona tao amin’ny kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe, ny alatsinainy 14 oktobra teo. […]