Mois : octobre 2024

« Festival Madajazzcar » : tanterahina amina toerna maro eto Madagasikara

Zary lasa fanao isan-taona ary ambohi-pihaonan’ny mpankafy ny gadona Jazz ny « Festival Madajazzcar ». Efa miditra amin’ny andiany faha-35 izy amin’ity taona ity, ary ny fampivelarana ny “Jazz” no tanjon’ny mpikarakara. Nanomboka omaly ireo hetsika maro samihafa ho fankalazana ny « Fes­tival Madajazzcar » andiany faha-35. Anisan’ny nahitana izany ny teny […]

Fihaonamben’ny CEO Summit : hodinihina ireo fanambin’ny toekarena lovainjafy

Hotanterahina eto Anta­nanarivo, ny 5 sy 6 desambra izao, ny fihaonana an-tampon’ ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mahe­rin’ny 300 ireo mpanapa-kevitra, tompona orinasa, handinika ireo vina toekarena aty amin’ny faritra voalaza hananganana paikadim-piaraha-miasa hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy. Ambohipihaonan’ireo mpandraharaha mitady fanavaozana ho an’ny hoavin’ny toekarena ny […]

Fizahantany : hatsangana ny Village artisanal

Vavahady hidirana eto Madagasikara ny fokontanin’Ivato, toerana hananganana ny Village artisanal, ho fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana malagasy. Hita eny an-toerana avokoa ireo karazana asa tanana sy vokatra mampiavaka ny Nosintsika. Hisy ny toerana ho an’ny varotra fampirantiana sy fampisehoana ny fahaizan’ireo mpanao asa tanana. Vita tanteraka ankehitriny […]

Angovo fandrahoan-tsakafo : mampiasa kitay sy saribao ny 95% ny Malagasy

Tafiditra ao anatin’ny fampiasana angovo azo havaozina ny fandrahoan-tsakafo madio. Tanjona ny tsy hiankinandoha amin’ny fampiasana kitay sy saribao be loatra intsony. Natomboka omaly, ny famolavolana ny Po­litikam-pirenena hampiroboroboana ny fomba fandrahoan-tsakafo madio eto Ma­dagasikara. Miaraka mi­kaon­doha amin’izany ny fanjakana, ny vondrona olona eny ifotony, ny sehatra tsy miankina, ny […]