Nivoaka ny tatitra vaovao momba ny vesatra ateraky ny aretina mpiseho amin’ny tany mafana notsinontsinoavina (MTN) ho an’ireo firenena mampiasa ny teny frantsay. Fitambaran’ny aretina toy ny habokana, bilarziozy, dengue, haromotana… azo sorohina sy tsaboina ny MTN izay miteraka takaitra, indrindra ho an’ireo mponina tena marefo. Mety hitarika amin’ny fahasembanana […]
Mois : octobre 2024
INDRAY MIJERY
Vinavinaina ho mafy ny vanim-potoan’ny rivodoza amin’ity taona 2024-2025 ity, mety hifanakaiky na ho mafy kokoa noho ny tokony ho izy. Hanodidina ny roa hatramin’ny dimy ny isan’ireo rivodoza mety hiantraika mivantana an’i Madagasikara. Ahina mafy ny hisiana rivodoza mety hiditra an-tanety avy any amin’ny ranomasimbe Indianina nefa mety hisy […]
Opération Smile: manatona ifotony ny fitsaboana ny sima
Nampahafantarina ny 3 oktobra teo ny fiara fitsaboana antsoina hoe «Smile Mobile», an’ny fikambanana ONG Opération Smile. Fomba iray ahafahana manatona akaiky kokoa ireo olona sima sy vaky lanilany, izay ankizy ny ankamaroany, hitsaboana mialoha na aorian’ny fandidiana ny molotra sy ny ativava. Maimaimpoana daholo ny fitsaboana. Tanteraka izany vokatry […]
Fiarovana amin’ny tondradrano : Manohy ny fanadiovana sy ny fanalana fako ny Apipa
Miasa andro aman’alina. Mitohy ny fiarovana an’Antananarivo Renivohitra amin’ny fiakaran’ny rano amin’ny alalan’ny hetsika tanterahin’ny Apipa, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Mihaino sy manohy ny asa fidinana ifotony, amin’ny fikirakirana sy ny fanadiovana ny fotodrafitrasa rehetra mba hahafahana mampihena ny mety ho fitrangan’ny tondradrano, miteraka […]
FANTINA sy FINTINA
Hentitra ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, fa resabe fotsiny ny fitakiana ny Iles Eparses. Nanteriny fa miverina amin’i Nosy Maorisy ny fiandrianana amin’ireo Nosy Chagos rehefa teo am-pelatanan’ny britanika sy ny amerikanina tao anatin’ny 50 taona mahery. ” Izany no tena fandresena ara-diplomatika fa tsy ny fanaovana serasera betsaka”, […]




