La ministre des Affaires étrangères, Rasata Rafaravavitafika, a inauguré officiellement la nouvelle Ambassade de Madagascar à Rabat, au (Maroc), située au 30 R Old Said Rabat Souissi, mercredi dernier. Suite à cet événement, les relations diplomatiques entre les deux nations, célébrant par la même occasion le 30e anniversaire de leur […]
Mois : novembre 2024
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny vaovao voaray omaly, miisa 50 ireo Malagasy mpilalao miatrika ny sivana faharoa amin’ny fandrafetana ny Barea de Madagascar, izay hanao ny fifanintsanana Chan 2024. Nambaran’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’io fotoana io, fa ireo mpilalao mifaninana eto an-toerana ihany no mahazo sehatra amin’ity Chan ity […]
Basikety – Fiba 3×3 : nanampy ny Ankoay ny fanjakana
Hiatrika ny fifaninanana afrikanina amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo, i Madagasikara, anio. Tonga nanome tsodrano azy ireo ny lehibena andrimpanjakana eto Madagasikara, omaly, tetsy Mahamasina. Mba ho fanampiana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, lahy sy vavy, mandritra ity fifanintsanana afrikanina, “Fiba 3×3”, izay hatao eto Madagasikara, manomboka anio hatramin’ny alahady, ity. […]
Filaharan’ny Fifa : lasa laharana faha-115 ny Barea
Tsy mitsahatra ny mijotso ny laharan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, nivarina ho faha-115 ny Barea de Madagascar raha toa ka faha-109 ny filaharana farany, izay nivoaka ny oktobra lasa teo. Nampidina ity filaharana ity ny faharesena roa azon’ny Barea, tamin’i […]
Renoky ny torimaso : Zaza varira nobatain’ireo jiolahy
Votsotra teny am-pelatanan’ireo malaso noho ny ezaka nataon’ny zandarimariam-pirenena nandritra ny fanarahan-dia ny zazavavy varira iray, ny alarobia teo. Tao Mahazoarivo, kaominina Elonty, distrikan’Amboasary Atsimo, no nahazon’ny zandary ity zaza ity rehefa nalain’ny dahalo antsokosoko tao Betroka. Nisy naka an-keriny tao Betroka, ny alin’ny zoma 8 novambra lasa teo, io […]




