Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fametrahana fitsarana mangarahara. Efa misy ny asa sy dingana ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany. Nifarana omaly ny atrikasa fanamarinana ny didim-pitsarana natao tany Ampefy, nanomboka ny 26 novambra teo. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Rindra, tohanan’ny USAID sy ny Pnud izy ity ary fiaraha-miasan’ny minisiteran’ […]
Mois : novembre 2024
Betroka : Tafakatra sivy ireo namoy ny ainy
Mpandeha sivy voamarina fa namoy ny ainy, omaly, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Betroka. Nitondra mpandeha avy any Amboasary Atsimo nikasa hihazo an’Ilakaka io karandalana mpitatitr’olona io. Nentin’ny ranotrambo tampoka ny fiara teo amin’ny tetezana ao anatin’ny tanàn’i Betroka, tamin’ny 5 ora hariva, ny 28 novambra teo. Nivadika ny fiara […]
Nanapaka ny tendan’ny namany: Voaheloka an-terivozona Ralinasinavola
Niakatra teny amin’ny fitsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, omaly ny antontan-taratasin’ady laharana faha-129-Toa/24. Trangana vono olona niseho tao Ambalatenina, kaominina ambanivohitra Fetraomby, disitrikan’i Brickaville, ny 17 marsa 2023. Raha ny fifandaharana nandritra ny fitsarana, niaraka avy any ambanivohitr’Ambalatenina nitondra akondro manta namidy tany Brickaville Ralinasinavola sy Sampilahy […]
Hasarotam-piaro : Jiolahy namono ny namany
Niakatra fampanoavana omaly, telo lahy niara-notanana am-ponja tao Mandritsara. Namono ny sakazainy ny lehilahy iray tamin’ireo telo lahy. Voasaringotra noho ny halatra omby kosa ny roa. Nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’ ny fokontany Ambohimandroso, ny 7 novambra lasa teo. Simba tanteraka ny vatan’ilay vehivavy izay nanamparan’io sakaizany io habibiana. […]
Namonjy fahoriana ny reniny : maty naolan’ny raikeliny i Maurena kely
Maty vokatry ny fanolanana nataon’ny raikeliny i Maurena kely tao Andrainjato Fianarantsoa, ny alakamisy teo. Naiditra am-ponja io raikely nahavanon-doza io. Aiza ihany ilay lalàna momba ny famosirana e! Niady tamin’ny fahafatesana, tsy tana ny ain’i Maurena kely, ilay zaza 7 taona niharan’ny fanolanana tao Ankiady, fokontany Antanifotsy V Andrainjato, […]




