Naratra teo amin’ny lohany ny vehivavy iray voadonan’ny moto teny Anosy, omaly maraina. Niala taxi-be ka niampita ny arabe izy no notrongisin’ny moto nandeha mafy ho any Anosibe. Nentina haingana namonjy hopitaly ilay vehivavy. Na teo aza anefa izany, avotra soa aman-tsara izy. Gaboraraka tanteraka ny fifamoivoizana amin’izao.
Lasan’ny jiolahy nandritra ny fisisihana tamin’ny taxi-be teo Andoharanofotsy ny kitapon’ny raim-pianakaviana iray nisy ordinatera. Nisisika taxi-be izy ka nohararaotin’ireo jiolahy novohana ny kitapony. Efa tao anaty taxi-be vao tonga saina fa tsy tao anaty kitapo intsony ny ordinaterany. Nisy nahita rahateo ireo olona fa tsy nisy niteny fa natahotra.
Saika namoy ny ainy ny lehilahy iray voatsatoka antsy teny amin’ny lalamby Ampefiloha, omaly vao maraina. Handeha hiasa izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy teo akaikin’ny lalamby La Reunion kely. Naratra teo amin’ny kibony izy ka olona sendra nandalo no nitondra azy namonjy hopitaly.
Torana tampoka nandritra ny fanisam-bato ny renim-pianakaviana iray teny Ambanidia. Nitarika tamina isam-bato ambony ny kandidà iray notohanany ka nentin-kafaliana izy. Fotoana fohy taorian’izay anefa, velona ihany izy rehefa novelombelon’ny olona. Nitohy indray ny horakoraka nandritra ny fanisam-bato.




