Anisha Jo : Manome fotoana ireo mpankafy ny zoma izao

Mbola eto an-tanindrazana i Anisha Jo… Tena miaina hafaliana izy mizara ny mozikany ho an’ny mpankafy mpiray tanindrazana, raha ny tsapa nandritra ny seho voalohany notontosainy tetsy amin’ny CCI Ivato, ny 15 desambra lasa teo. Mbola voaporofo indray izany, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny sehon’ny Reko Band ny alahady teo, tetsy Mahamasina. Tsy vitan’izay fa mbola misy ny vaovao hahafaly ireo mpankafy: manome fotoana indray amin’ny seho manaraka ity mpanakanto ity, ny zoma 27 desambra izao manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny La City Ivandry.
“Maro ianareo no naniry ahita ny seho voalohany nefa tsy afaka. Be koa ny nanontany hoe rahoviana indray no hihaona? Ka dia io ny fotoanantsika manaraka”, hoy ity mpanakanto nasongadin’ny “Star Academy 2022” ity. Hanotrona azy eo ihany ireo tanora mpitendry manan-talenta, izay tena nampiaiky an’i Anisha Jo. Tsy hitovy ta­min’ny seho voalohany, saingy azo antoka fa hataony hatrany ireo hira tena itiavan’ ny maro an’ity tovovavy manana feo sy talenta miavaka ity. Ankoatra ireo hirany anatin’ny rakikira voalohany “Lumières”, misy koa ireo hira noforoniny amin’ny teny malagasy, izay efa manomboka be mpankafy. Tsy hadinon’i Anisha Jo hatrany anefa ireo hira nosafidiany, nampiakatra azy isan’ambaratonga tamin’ny fifaninanana “Star Aca­demy”. Nofinofy iray tanteraka ny an’ity mpanakanto ity ny nahafahany miaka-tsehatra eto Madagasikara sy mihaona amin’ireo mpankafy efa niandry azy hatramin’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: