Mois : décembre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Hikatona ny 15 desambra 2024 hatramin’ny 31 janoary 2025, ny fotoam-panjonoana horita any amin’ny distrika Toliara II. Voakasik’izany ny kaominina Beheloke sy Anakao. Nentanina azy ireo ny fanajana ny fepetra mba hisian’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Nampahatsiahivina azy ireo koa fa 350 grama ny fetran’ny lanjan’ny horita iray farany […]

Lalana Ifasy sy Mahavavy: Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana RN6

Vita ny 7 desambra teo ny asa fanarenana ny lalana vonjimaika, fiampitana eo amin’ny tetezan’Ifasy (PK 537+329) sy any amin’ny tetezan’i Maha­vavy (PK 568+720). Samy any amin’ny lalam-pirenena faha-6 ireo, ka nanatanteraka azy ny orinasa Colas. Tsiahivina fa tapaka ny tetezana roa vokatry ny rivodoza farany teo, tamin’ity taona 2024 […]

Masomboly : Fiaraha-miasa amin’i Korea

Manohana an’i Madagasikara amin’ny famokarana karazana masomboly mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ny Repoblikan’i Korea Atsimo. Tanjona koa ny hahafahan’i Mada­gasikara manondrana vokatra any ivelany. Nampaha­fan­tarina ny 6 desambra teo ny fanombohana ny tetikasa « Knowledge Sharing Program » (KSP), ho an’ny taona 2024-2025. Iarahana amin’ny Ivontoerana Institut KDI, rantsamangaika eo ambany fiahian’ny […]

Fiompiana antsokosoko: Varika miisa 3 tratra tao amin’ny toeram-pialamboly eny Itaosy

Misy tsy mety fay mandika lalàna mihitsy ny sasany amin’ny fitazonana any an-trano biby tsy fiompy. Tsy mandefitra na kely aza ny fanjakana. Tratra tao amin’ny toerana fialamboly iray eny Itaosy, ny sabotsy 7 de­sambra teo, ny varika miisa telo, notazonina antsokosoko. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no namantarana […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina ny sabotsy teo ny fandraisan-tanana ny filohan’ny Synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana (SPAA10) eo anivon’ny FJKM, Razafindrakoto Andriam­ba­lohery Hasinarivo. Nifanotronan’ireo fiangonana manodidina ny 300 aty amin’ny SPAA 10 izany. Nametraka ny vinany 12 izy, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny finoana kristianina. Lavapiringa moderina miisa 290 no hapetraka eto Antananarivo. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Loowat […]